airtel

Sport

05-avril-2024

Barean’i Madagasikara

Nidina ny lentan’ny fahaizana

Sample post image

Nidina ny lentan’ny fahaizana, izany hoe, lasa satroka faha 3 na «Chapeau 3»

05-avril-2024

no misy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra taorian’ny faharesena 0 noho 2 nanoloana ny ekipam-pirenen’i Rwanda tetsy Mahamasina farany teo. Lasan’i Kenya ny toerantsika tao amin’ny «Chapeau 2», raha ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny Federasionina iraisampirenena na FIFA omaly. Fisarihana ho an’ny tompondakan’i Afrika manaraka na CAN 2025 moa eto no resaka, raha ny fanazavana voaray. Mbola faha 109 eo amin’ny filaharana maneran-tany na izany aza no misy ny Barea. Faha 24 aty Afrika isika tamin'ny filaharana ny martsa teo, izany hoe farany amin'ny «Chapeau 2» izao lasa voalohany amin'ny «Chapeau 3» na faha 25. Hifanena amin'ny «Chapeau 1» sy «Chapeau 2» izany isika amin'ny fifanintsanana manaraka. Toy izao manaraka izao, raha tsiahivina izany, ny filaharana isaky ny satroka. Ao amin’ny «Chapeau 1» i Maraoka, Senegal, Nizeria, Ejipta, Cote d’Ivoire, Tonizia, Alzeria, Mali, Kameronina, Afrika atsimo, Borkina faso, RDC. Ao amin’i «Chapeau 2» i Cap vert, Ghana, Guinée, Guinée équatorial, Gabon, Zambie, Ouganda, Angola, Benin, Mauritania, Namibia ary i Kenya izay faha 107 eo amin’ny filaharana maneran-tany, izany hoe nahazo toerana miisa 4. Mitarika ny «Chapeau 3» i Madagasikara izay arahan’i Mozambika, Kongo, Togo, Libia, Guinée Bisseau, Kaomoro, Tanzania, Zimbabwe, Malawi, Sierra Leone, Soudan.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap