airtel

Sport

10-nov-2021

Sport

Barean’i Madagasikara Vonona hanala vela amin’i Bénin rahampitso

Sample post image

Efa any Cotounou ny ampahany betsaka amin’ny ekipam-pirenena Malagasy na mbola nisy aza ny ambiny nandrasana ho an’ny omaly.

10-nov-2021

Hifandona amin’I Ecureuils Béninois ao amin’ny Kianja Amitié Général Mathieu Kérékou rahampitso alakamisy 11 novambra 2021 amin’ny 5ora hariva an-toerana, raha toa ka amin’ny 7ora hariva ora Malagasy. Nigadona omaly alina tao Cotonou ny delegasiona Malagasy izay niainga avy eto Madagasikara. Ao amin’ny Hôtel AZALAI no ipetrahan'izy ireo mandritra ny fivahinianany any an-toerana, ary efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka. Tafiditra amin’ny andro fahadimy amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2022” any moa Qatar io. Naneho ny mpanazatra Eric Rabesandratana omaly, fa hiezaka hanome ny tsara kokoa hatrany izy ireo. Nampahafantariny, fa tsy isan’ireo afaka namonjy an’I Bénin i Yannick Pandor Mpiandry haraton’ny RC Lens noho ny olana teo amin’ny pasipaoro, ka hijanona ho roa ny mpiandry harato any Bénin dia I Mathyas Randriamamy sy Adrien Melvin. Tsy maintsy hosoloina mpiandry harato hafa kosa I Pandor amin’ny andro faha-6 farany hifanandrinana amin’I Tanzanie etsy Mahamasina ny 14 novambra. Isan’ireo efa any Cotonou ilay mpilalao vaovao Borian Bertrand Mpilalaon’ny Nancy Lorraine any Frantsa, izay nantsoina tamin’ny ora farany. Tsy mbola hita tao anatin’ny sary omaly kosa I Fabien Boyer, izay mandeha ny resaka fa naratra, saingy tsy mbola nisy fanamarinana ofisialy. Mbola hijery tsara an’ireo mpilalao eo anatrehan’ny hoe: misy amin’ireo vao nantsoina sy tafaverina ao anatin’ny ekipam-pirenena ve no tonga dia ho tompon-toerana dia miankina amin’ny fijerena ny herijikan’ny rehetra ny fampijoroana ny 11 voalohany. Isan’ny notsipihin’ity mpanazatra ity kosa ny maha ao anatin’ny heriny an’I Jeremy Morel. Tsiahivina fa i Bénin no nihaona tamintsika tamin’ny andro voalohany ny 02 septambra, lalao nisantarana ny Kianja Barea taorian’ny fanavaozana, saingy resy 1-0 isika. Vonona hanala vela an-dry zareo Béninois anefa ny Barean’I Madagasikara. Manana isa 7 avy I Tanzanie sy Bénin izay voaloany sy faharoa ao anatin’ny Vondrona J hatreto, raha toa fahatelo I RD Congo manana isa 5, ary fahaefatra I Madagasikara manana isa 3.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap