airtel

Sport

25-janv-2021

Sport

Basikety sokajy N1A Tompondaka ny ASCUT sy ny MB2ALL

Sample post image

Norombahin’ny ASCUT Atsinanana ny anaram-boninahitra Tompondakan'i Madagasikara 2020 sokajy N1A lahy,

25-janv-2021

 

 

 


eo amin’ny taranja baolina kitra. Nandavo ny GNBC Analamanga ekipan’ny zandarimariam-pirenena tamin'ny isa 79 – 67 izy ireo teo amin’ny famaranana omaly. Niady tanteraka ny lalao, ka teo amin’ny ampahefa-potoana voalohany dia GNBC 16 – 16 ASCUT, faharoa : 16 – 23 ; fahatelo : 21 – 17 ; 1/4 fotoana : 14 – 23. Voahosotra ho laharana fahatelo kosa ny SEBAM Boeny rehefa nandavo ny Cosfa Analamanga tamin’ny isa tery 74-72. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia norombahin’ny MB2ALL Analamanga rehefa lavon’izy ireo teo amin’ny isa 70-56 ny SBBC Boeny. Laharana fahatelo ho an’ny sokajy vehivavy kosa ny JEA Vakinankaratra rehefa nandresy ny COSPN 2 Atsinanana 53-50. Ho an’ny N1B sokajy vehivavy kosa, dia ny nandresy ny ASF 68-40 ny Fandrefiala. Fanaperana ny taom-pilalaovana 2020 moa no natao, izay nifarana omaly. Na teo aza ny fihibohana naharitra teto amin’ny firenena, hita fa velona tsara ny taranja basikety ary mahavelombolo ho amin’ny fifaninanana afrikanina ny lentan’ny teknika hananan’ireo mpilalao Malagasy.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap