Tena natsiro ilay izy sady natombok'i Fiaro tamin'ny fihetsika tena tsara na ilay atao hoe alley-oop fahita any Amerika. Toa ny hita tamin'ny fihaonana tamin'ny Brezil dia Livio no tena nandravarava tamin'ny tifi-davitra ahazoana isa roa. Tena nety ary dia hafaliana tsy homby tratra no nitsenain'ireo mpijery malagasy tany Vienne izay nanofahofa ny saina maintso fotsy mena.Mialoha an'io kosa dia tsikaritra ho nivoaka sempotra ihany ny Breziliana nanoloana ny Ankoay, ary azo lazaina fa resy tamin'ny moka fohy ny Malagasy . Niondrika tamin'ny isa 17 noho 20 ny Ankoay ary tokony ho 19 noho 20 azy izany saingy nolavin'ny mpitsara ny baolina matin'i Elly farany.Elly izay tsy dia tazana firy satria dia nataon'ny mpifanandrina tsara ambina. Laharana fahavalo eran-tany mahay indrindra moa Elly ka tsy dia mahagaga raha tsara ambina.Fa raha tsy tazany izy dia mbola teo i Livio izay nahavita nanasahala ny isa foana.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona