airtel

Sport

02-févr-2024

Sport

Basket 3x3 Vao maika ho mafy ny Ankoay lehilahy

Sample post image

Mety handray anjara any amin'ny Lalao Olimpika ihany ny Ankoay lehilahy

02-févr-2024

raha izao fandehany izao. Any Monastir, Tonisia, mantsy izao izy efa-dahy ahitana an'i Elly, Livio, Arnol ary Rick Ley miampy ny mpanazatra Deda Randrianarivelo. Tena fiofanana avo lenta mikasika ny basket 3x3 no miseho any ary hifarana anio raha nanomboka ny 27 janoary teo. Ny FIBA Afrika moa no mikarakara ny hetsika fa ny mpanazatra ny Serbia izay tompondaka 2023, Danilo Lukic, no mandray an-tanana ireo ekipam-pirenena dimy ahitana ny Egypte, Kenya ary Tonizia eo amin'ny vehivavy ary Madagasikara sy Égypte kosa eo amin'ny lehilahy. Tena notsongaina tao anatin'ny maro ary heverina fa ho afaka amin'ny fifanintsanana farany. Tsy vitan'ny hoe hofanina manokana ny mpilalao fa mahazo ny anjarany ihany koa i Deda Randrianarivelo entina hanatsarana hatrany ny fahaizan'ny Ankoay.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap