airtel

Sport

31-mai-2023

Sport

Basketball 3x3 Resin'ny Serbia sy Allemagne ny Ankoay

Sample post image

Tsy nisy dinika fa dia azo lazaina fa nidona tamin'ny rindrina ny Ankoay raha nihaona tamin'ny Serbia omaly

31-mai-2023

Laharana voalohany eran-tany amin'ny basket 3x3 ireto Serba ireto ary vitan'izay fa ireo mpilalao laharana telo voalohany eran-tany no nalahany. Tena atody niady amam-bato. Mba niady ihany ny Malagasy saingy tsy nisy dinika ka maty daholo ireo tifitra lavitra nataon'i Stojacic, ilay laharana voalohany eran-tany. Tonga dia isa roa isaky ny mihetsika raha nandady kosa ny isa hoan'ny Ankoay. Efa lavitra be ny elanelana izay 15 noho 4 vao mba nahita isa roa i Elly nefa dia io no tena nanavanana azy ka viahosotra azy ho mpilalao mendrika indrindra aty Afrika. Tsy nisy natao na Elly na Livio fa Fiary aza nomba nahavita nanakana ireo mpatsaka Serbia. Nety koa no nataon'i Arnol saingy tsy dia nahazo fotoana betsaka izy Ary rehefa tsy afaka toy izany dia rava tsy lera ny lalao satria tonga 21 talohan'ny fotoana ny Serbia raha 9 ny an'ny Malagasy. Mbola mafimafy ihany koa avy eo ny dona tamin’i Allemagne na dia hita aza hoe efa tena nanezaka mafy sy nampiseho endri-dalao matotra ny Ankoay dia resy 20 no 16. Na izany na tsy izany dia mendri-piderana ireto Ankoay ireto ary toy izany koa ireo Malagasy tonga tany Vienne nanotrona.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap