Efa tompondakan'i Afrika isika ary efa nandresy ireo heverina ho firenena lehibe.Tany amin'ny fiadiana ny amboara eran-tany izao dia nanakoako ny nandresen'ny Ankoay ny Frantsay (21 noho 20). Efa nisy fotoana koa nandresy ny Alemaina ny Malagasy (20 noho 16) ary toy izany koa nanoloana ny Brésil (20 noho 17). Tsy niova firy anefa ireo mpialao fa taty aorona fotsiny no nisolo an'i Fiary i Anthony. Teo foana kosa anefa i Arnol sy Elly ary Livio.Iretp roa farany ireto moa dia niaraka nanao basket hatramin'ny fahakeliny ary niray klioba mihintsy aza tany Mahajanga. Ny tena tombony amin'ny mpilalao hafa dia samy manana antom-pivelolana tsara daholo izy dimy mirahalahy. I Livio Ratianarivo aza moa dia manamboninahitra ao amin'ny Polisy. I Elly Randriamampionona indray dia zandary.Fa na ny Polisy na ny Zandary dia mamela malalaka ireo mpilalao ireo hanao fanazarantena mety mandritra ny taona mihintsy aza satria dia samy mbola milalao any amin'ny klioba eo amin'ny basket lalaovin'ny olona dimy izy ireo. Raha tsorina dia tena tafiditra amin'ny sehatra matihanina tanteraka ry zalahy ary mitondra ny anarana hoe Antananarivo. Ny tombony koa dia i Deda Randrianarivelo no mpanazatra azy ireo hatrany amboalohany. Izao ary dia heno fanasana manokana (wild card) ity ekipa Antananarivo ity. Ny 22 sy 23 jolay izao izy ireo no handray anjata amin'ny Chongqing Challenger izay araka ny anarany dia ao Chongqing any Sina no hatao.Tsy mijanona eo anafa fa mbola voaasa any Taiwan koa iretp ekipan'i Radeda ireto.Ho tontosaina ny 28 sy 29 oktobra ity Tzipeh Challenger ity. Araky ny maha matihanina ny fifaninana moa dia volabe no hozaraina ka inoana fa tena hamono tena ry Elly sy ny namany ireto .Ny mampalahelo kely dia tsy mba misy ity wild card ity ny basket 3x3 amin'ny Lalao Olimpika any Paris fa raha tsy izany dia ny basket no voalohany amin'ny taranja iraisana mandray anjara aminlny fifaninana toy itony.Ny Frantsay izay resin'ny Ankoay anefa tafita tamin'ny ora farany. Izay ilay sanjila...
Clément RABARY
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.