airtel

Sport

01-juin-2023

Sport

Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio

Sample post image

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

01-juin-2023

Ho sarotsarotra ihany i Brezila dia vao avy nandresy an’i Alemaina. Ary ity farany anefa nandresy ny Malagasy tamin'ny isa 20 noho 16. Izany hoe efa tena nivoatra be ny lalao nasehon'ny Ankoay. Nisy mihitsy aza efa nitarika teny amin'ny tabilao ry Fiary saingy nanova paika ny Rainiboto ka niezaka nanao tifi-davitra. Ny marina na dia resy aza dia tsy maha menatra ny zavatra nasehon'ny Ankoay hatreto ary ohatry ny mety ilay telo lahy miaraka teo ambony kianja nahitana an'i Arnol, Fiary ary Elly. Iza no mahita fa mety mahavita fahagagana ihany ireto Ankoay ireto. Anio hariva amin' ny 11 ora sy 5mn alina no hifandona amin'i Frantsa ny Malagasy. Ary raha efa afaka ilay tsindry dia tokony mba hilalao tsara smin'izay ireto Ankoay ireto.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap