nilalaovany ary faha 45 taona naha mpanazatra azy. Tonga nanotrona azy daholo ireo namany, ireo mpiara-milalao ary ny mpikambana avy amin'ny federasiona.Ny tena nanamarika ny dian'i Deda Randrianarivelo dia ny nahazoany ny tompondakan'i Afrika teo amin'ny lalaon'olona telo.Efa nandresy ny Frantsay koa anefa ny ekipa entiny ity ahitana an'i Elly, Livio, Arnold ary Fiary. Tena mahay izy fa ny somary mahagaga kely dia toa nijery fotsiny ny minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.Tsy ahita mpanazatra nahavita be toy izzo anefa ny eny Ambohijatovo.Raha ny marina aza dia mendrika tolorana mari-boninahitra ambony i Deda Randrianarivelo satria tena nahavita be ity zanak'Antsirabe ity.Mpilalao baskety rahateo ny dadany ary izay no nahatonga azy hirotsaka amin'io taranja io teo amin'ny kianja kely iray teo Antsenakely.Vao 14 taona izy no nanomboka nilalao basket ary mbola milalao foana 50 taona aty aoriana.
Clément RABARY
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny