Taorian’ny nandihizan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea nanoloana an’I Soudan izay resiny 3 noho 0 tany amin’ny lalao isam-bondrona sy I Mozambika izay lavony isa 3 noho 1 teo ampahefa-dalana dia nampitolagaga koa ny sabotsy teo ny zava-bitan-drizareo ekipan’I Niger izay nandresy mazava an’I Ghana tamin’ny isa 2 noho 0 teo amin’ny ¼-dalana hatrany. I Madagasikara sy Niger, izay nosokajian’ireo mpamakafaka fanatanjahantena maro maneran-tany ho isan’ireo mety ho faly handray anjara fotsiny na “petit poucet” amin’ity fiadiana ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN 2022 atao atsy Alzeria ity. Ho misitery tanteraka ho an’ireo heverina ho ‘favoris” na heverina ho kalazan’ny fifaninanana tafiditra anaty efa-joro farany dia ny manasa-dalana anefa ankehitriny, izany hoe I Senegal sy Alzeria, ny mety ho afitsok’I Madagasikara sy Niger. Tsiahivina fa I Alzeria hifandona amin’I Niger ary I Senegal hikatroka amin’I Madagasikara no afisin’ity manasa-dalan’ny CHAN 2022 ity. Anio talata izany no fotoana.
J. Mirija
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.