amin’izao fotoana izao ilay mpilalao baolina kitra malagasy milalao ao amin’ny Lierse, divizionina faharoa ao Belzika, raha ny fampitam-baovao mikasika azy voaray omaly. Klioba frantsay maromaro ihany koa no voalaza fa efa nila resaka tamin’ity rindrimbe malagasy mirefy 1,87 metatra mandia ny faha 25 taonany ity. Tsy vahiny amin’ny fifaninanam-pirenena eoropeanina ny lehilahy, raha tsiahivina, satria dia novolavolain’ny klioba frantsay tao Rennes izy nialohan’ny nifindràny tao Chateauroux, Frantsa ihany, ny taona 2018. Hatreto dia ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa anefa no ambony indrindra tamin’ireo nandraisany anjara tamin’ny maha matihanina ny tenany. Irariana, araka izany, ny mba ahitàny klioba matanjaka kokoa sy ny hivoarany amina fifaninanam-pirenena avo noho izay efa hitany hatramin’izay.
Nangonin’i J. Mirija