airtel

Sport

10-janv-2022

Sport

CAN 2022 any Cameroun Sambany tao anatin’ny 42 taona tsy mandefa ny TVM

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Cameroun omaly 09 janoary ary tsy hifarana raha tsy ny 06 febroary ny dingana famaranana ny fiadiana ny amboaran’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2022”.

10-janv-2022

Firenena Afrikanina 24 no mandray anjara amin’izany, saingy tsy mba isany isika Malagasy noho ny vokatra azontsika tany amin’ny lalao fifanintsanana. Tamin’ny 2019, dia afaka nisitraka mivantana ny lalao niainga avy tany Egypte ny Malagasy, ary fandraisana anjara voalohan’ny Barean’I Madagasikara rahateo iny. Nandeha mivantana tamin’ny fahitalavi-panjakana TVM ny lalao tamin’izany. Efa mahazatra ary afaka nisitraka ny fampitana mivantana foana ny Malagasy hatramin’izay. Na tao anatin’ny harinkarentsika mba netinety kely, na tao anatin’ny krizy samihafa,… tsy mbola nisy CAN tsy nandeha tamin’ny TVM izany raha ny tantara tamin’ny ankapobeny no zohiana. Tsy mbola nisy tao anatin’ny 42 taona izany TVM tsy mandefa CAN izany, hoy ny fanamarihana. Tsy nisy ihany koa ny fitantarana tamin’ny Radiom-pirenena na ny RNM, ka na ny an-tsary izany n any am-peo tsy nisy. Midika izany fa mihemotra isika fa tsy mandroso, ary raha tsiahivina ny fanambin’ireo kandida roa nanao fihodinana faharoa tamin’ny desambra 2018 dia samy nanome toky fa handefa ny sarin’itony fifaninanana goavana itony hositrahan’ny Malagasy. Goavana ary fifaninanana farantampony amin’ny kitra Afrikanina ny CAN, saingy indrisy fa izay mahavidy ny an’ireny “bouquet canal satellite” ireny sisa afaka misitraka. Marihina moa fa ny taona 1974 no nandray anjara voalohany ho an’ny Nosy avy aty amin’ny fari-dranomasina Indianina I Nosy Maorisy ka faharesena telo tamin’ny lalao telo no azon’izy ireo. Faharoa kosa ny Barean’I Madagasikara tamin’ny taona 2019, izay resy teo amin’ny dingana famaranana, ary ny Nosy Kaomoro no mandray anjara amin’ity CAN 2022 ity, ka anio 10 janoary izy ireo no hiakatra an-kianja voalohany, hifandona amin-dry zareo Gabonais. Ity firenena ity aloha izany no solontenan’ny Ranomasimbe Indianina, ary maro ny Malagasy no miray feo ao anatin’ilay hoe: “Alefa Kaomoro” amin’izao fotoana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap