airtel

Sport

22-mars-2022

Sport

CAN 2023 Fahagagana raha ho tafakatra ny Barea

Sample post image

Efa amboarina dieny izao izany aloha ny saina ho an’ny Malagasy rehetra, indrindra, ireo mpankafy ny baolina kitra Malagasy, raha ny mikasika ny faidianna ny amboaran’i Afrika manaraka na CAN 2023 no resahana.

22-mars-2022

 Somary efa nampoizina ihany manoloana ny korotambe tsy mety miravina eo anivon’ny federasionina Malagasy ny baolina kitra fa tsy hisy ho vanona daholo ireo fikasana hanao lalao ara-pirahalahiana ho fanomanantsika azy io. Na ilay tokony ihaonana amin’I Afghanistan amin’ny alakamisy izao aza moa dia iny voalaza iny koa fa nofoanana noho ny resaka fitandroana ny ain’ireo mpilalao noho ity firenena ity tsy dia lavitra an’i Okrainina izay ianjadian’ny fanafihan’I Rosia amin’izao fotoana izao. Antony izay toa tsy dia tena maha resy lahatra loatra ary mampametra-panontaniana hoe raha izany tokoa no antony, angaha moa vao omaly ilay adin’I Rosia sy Okrainina? Tsy efa tokony ho andro maro na am-bolana mihitsy ve no nitady ekipa hafa raha hanao antony fampiatoana lalao noho io tranga io ihany? Foana daholo izany aloha ny tokony ho fitsapana fanomanana rehetra na ny tamin’I Togo na Cap vert na Afghanistan sy izay nokasaintsika rehetra raha toa ka efa miomana fatratra kosa ireo firenena afrikanina hafa. Cote d’Ivoire hihaona amin’I Frantsa sy Angletera. Burkina faso amin’I Belzika. Afrika atsimo koa hihaona amin’I Frantsa. Ho antsika kosa dia FMF 1 hihaona amin’ny FMF 2, hoy ny mpamakafaka ara-panatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala izay. Lalao izay mbola tsy fantatra aloha hatreto izay hahavitan’ity farany izay efa nanombohana ela ity fa raha ny mikasika ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra kosa dia azo antoka fa fahagagana raha ho tafakatra ny Barea.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap