airtel

Sport

26-janv-2024

CAN 2023

Fantaro ireo hanao ampahavalon-dalana

Sample post image

Tonga amin'ny ampahavalon-dalana ny CAN 2023. Avotra ihany koa ny

26-janv-2024

Côte d'Ivoire taorianan'ny faharesen'ny Zambia nanoloana ny Maroc. Efa nanao antso avo i Didier Drogba mba hofenoina ny kianja ary mba hanohana an'i Maroc ny mponina Ivoirianina. Nandaitra izany satria nandresy 1 noho 0 i Maroc ary dia nody ny Chipolopolo zambianina. Tsy azo lazaina ho tafavoaka ny ala anefa i Côte d'Ivoire satria dia ho sendra ny taolana indray ny alatsinainy izao raha hidona amin'i Sénégal. Isan'ny baolina tena hiady koa ny fihaonan'ny Nigeria sy Cameroun rahampitso. Toa izao ny fandaharan-dalao amin'ity ampahavalon-dalana ity. Sabotsy 27 janoary 8 ora alina : Angola # Namibia 11 ora alina : Nigéria # Cameroun. Alahady 28 janoary 8 ora alina : Guinée Équatoriale # Guinée 11 ora alina : Egypte # RD Congo. Alatsinainy 29 janoary 8 ora alina : Cap Vert # Mauritanie 11 ora alina : Sénégal # Côte d'Ivoire. Talata 30 janoary 8 ora alina : Mali # Burkina Faso 11 ora : Maroc # Afrika Atsimo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap