airtel

Sport

29-janv-2024

CAN 2023

Tafita i Angola sy Nigeria

Sample post image

Nangoron-damba ny Camerounais an'ingahy Samuel Eto's

29-janv-2024

araky ny efa nampoizina. Tsy nahita nafitsoka mihitsy i Rigobert Song fa ohatra an'ireny mpanazatra lany bala ireny. I Nigeria anefa dia ampy traikefa satria efa ireo tompondaka eran-tany U17 ireo tafaraka ireo ohatra an'i Victor Osimhen sy Lookman. Ity farany ity rahateo no nampiditra ny baolina roa matin'ny Nigeria raha tsy nisy atokona mihitsy ny Liona izay lasa azo folahina fa tsy toy ny anarany (36 ; 90). Izao no vokany ho an'i Cameroun rehefa atao akamakama ny fitantanana. Lasa tezitra ireo mpanohana ary lasa mahita hoe tsy mety ny niantsoana an'i Vincent Aboubakar izay milalao any amin'ny klioban'i Besikitas sy Maxim Choupo-Moting izay any amin'ny Bayern. Teo amin'ny lalao voalohany indray dia tena nanjaka tanteraka ny Angola. Tena biby tsy niady hany ka nataon'i Gelson nahita. Nanao poa-droa ity mpanafika izay milalao ao Qatar ao amin'ny klioba Al-Wakral. Io isa 2 noho tsy misy io no netina niala sasatra. Saingy tsy nanova n'inona ny tetika nomanin'ny Namibia teo ampialana sasatra fa dia mbola ny Angola ihany no nampiditra ny baolina fahatelo tamin'ny alalan'i Mabulubo.Nandresy 3 noho 0 ny Angola ary dia hihaona amin'i Nigeria izany eo amin'ny ampahaefa-dalana.Lalao izay mety tsy miady ihany satria tena mafy ry Osimhen sy ny namany ireto. Asa aloha fa mety misy mpitsara mamadika ny tantara ihany koa.
Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap