airtel

Sport

22-janv-2024

CAN 2024

Betsaka sahirana ireo ekipa lehibe

Sample post image

Hafa ity andiany faha 34 ny CAN 2024 ity. Mamaly bontana mantsy

22-janv-2024

ireo heverina ho firenena kely hany ka ho tra - doza ireo izay zatra fandresena. Tandidonin-doza hatramin'ny Côte d'Ivoire mpampiatrano izay laharana fahatelo ao anaty vondrona. Toy izany koa i Cameroun ary mety ho voatsoaka hatramin'ny moanazatra Rigobert Song aza araka ny kabarin'ny Federasiona, Samuel Eto'o fils. Mbola mijaly koa ireo firenena any Maghreb satria ankoatra ny Maroc izay voatazon'ny RDC salaha tamin'ny ora farany (1 noho 1) nefa vao maraina be i Achraf Hakimi dia nanokatra ny isa tamin'ny alalan'ny tolotra nataon'i Zuyech (6). Voatazon'ny Burkina Faso sahala 2 noho 2 ny Alzerianina toa an'i Egypte izany taty aminlny fanalavam-potoana fanampina vao nanasahala isa tamin'ny penalty i Mohamed Salah. nanoloana ny Ghana. Tsy misy ekipa madinka intsony hoy ny fiteny saingy ny marimarina dia lasa madinika ireo noheverina ho andrarezina. Hatreto aloha izany dia ny Sénégal no mbola lohalarana saingy andrasana koa izay asehon'ny Cap Vert satria samy tafita any amin'ny ampahavalon-dalana ireo firenena roa ireo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap