airtel

Sport

23-janv-2024

CAN 2024

Mbola tsy tafavoaka ny ala…

Sample post image

Tena mbola manjavozavo ny momba ireo ekipa lazaina lehibe amin'ity CAN 2024.

23-janv-2024

Iza moa no nanampo fa dia gisitra ao anaty ny vondrona misy azy i Tonizia izay mbola voatazon'i Mali 1 noho 1 indray ? Resin'i Namibia tamin'ny andro voalohany izy nefa ireto farany dia nomontsanin'i Afrika Atsimo tamin'ny isa mavesatra 4 noho 0. Tena mbola tsy fantatra ny ampitso satria na ny Cote d'Ivoire aza alina satria nangoron-damba, resin'i Guinée Équatoriale. Ao amin'io vondrona A io mantsy dia nahazo gana malemy i Nigeria satria nihaona tamin'ny Guinée Bissau izay nataon'ny rehetra fandehanana. Mbola andrasana koa anefa ny momba an'i Egypte izay tsy misy Mohamed Salah intsony satria efa nody any Angletera izy hanaraka fitsaboana. Hifandona amin'ny Cap Vert izay mbola tsy resy mihintsy mantsy ny Egyptianina. Raha nanao sahala aloha dia i Cap Vert sy Ghana no miakatra fa mbola miandry raha ho tafiditra ho isan'ireo efatra izay mitana ny laharana fahatelo tsara indrindra. Mbola miandry izany ny rehetra fa na izany aza efa mitsotrotra ny Senegal, Cap Vert ary Mali sy Maroc fa any amin'ny ampahavalon-dalana mifankahita.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap