airtel

Sport

15-janv-2024

CAN 2024

Tsy maharesy lahatra i Côte d'Ivoire, tsy nahovoka i Egypte

Sample post image

Tsara fanombohana aloha ny Côte d'Ivoire amin’ity CAN nanomboka

15-janv-2024

ny sabotsy teo tao amin'ny Kianja Edimpé izay nampitondraina ny anaran'ny filoha am-perinasa Alassane Ouattara. Nandresy ny Guinée Bissau aloha ny Elefanta tamin'ny isa 2 noho 0. Baolina matin'i Seko Fofana raha vao nznomboka 4 minitra fotsiny. Mbola nanampy io isa io i Jean Philippe Krasso (58). Tsy maharesy lahatra anefa na izany aza i Côte d’Ivoire satria ireto Guinée Bissau ireto no gana malemy anatin'io vondrona io. Ny lalao hihaonana amin'i Nigeria ny 18 janoary izao no ahalalana raha tena voafehin'ilay mpanazatra frantsay, Jean Louis Gasset, izay sambany mitazona ekipa nasionaly. Mbola ao an-tsaina mantsy ilay faharesena nanoloana ny Zambia, 3 noho 0, tamin'ny volana jona teo satria tsy nandray anjara amin''ny fifanintsanana ry zareo noho izy mpampiantrano. Mbola eo koa anefa ny ady an-trano sy korontana madinidinika toa ny nanerena ny mpijery hiakanjo loranjy amin'ny vidiny mihoampampana sy ny tsy namela ireo trano fisotroana handefa mivantana ny lalao. Niravona ihany anefa izany ary mbola nandresy rahateo ry Kessié sy ny namany dia mbola tehaka fotsiny aloha.

Lalao isan’ny tsy nampoizina ho an’ny omaly kosa ny vokatra teo amin’ny fifanandrinan’i Egypte sy Mozambika. Ny Mozambikanina no nanana tombony tany, ary efa noheverina fa hivoaka mpandresy. Nitarika tamin’ny isa izy 2-1 izy ireo, saingy efa tany amin’ny minitra faha-97 no nahazo penalty ny Ejiptianina, ary matin’i Mohamed Salah.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap