airtel

Sport

14-juin-2024

CAN 2025

Ambony ny herijika ho an’ny Barea

Sample post image

Firenena miisa 48 no ho tsinjaraina ao anatina vondrona 12 ahitana ekipa 4 ho amin’ny fifanintsanana isam-bondrona

14-juin-2024

ahazoana ny tapakila hiatrehana ny amboaran’i Afrika na CAN 2025. Ny 4 jolay hoavy izao no hanaovana izany atsapaka izany any Johannesburg, Afrika atsimo. Firenena miisa 23 ihany moa no ho tafakatra amin'ny CAN 2025 izay atao any Maroc, raha ny fanapahan-kevitry ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra na CAF. Isan’ireo hanaovana atsapaka ihany koa, araka izany, i Madagasikara. Heverina, ankoatran’izay, fa hananan’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ny herijika, raha ho an’ny fiatrehana ny tompondakan’i Afrika. Mbola sarotsarotra kosa etsy ankilan’izay ny hahatanteraka ny nofinofy lehibe dia ny hahatongavana any amin’ny tompondaka eran-tany amin’ny 2026. Hita ho nahafa-po ny mpitia kitra malagasy ny 0 noho 0 tamin’i Mali fa hoe nahavoatazona ny andrarezina na dia nilalao 10 aza. Azo heverina ho nanary lalao na tonga amin’ilay fomba fiteny mahazatra hoe «ni-rater occasion» ihany anefa isika tamin’ny 11 jona tao Johannesburg iny satria mpifanandrina efa reraky ny sidina ary ny mangiran-dratsy tamin’ny 4 ora nialohan’ny lalao vao tonga nefa hiatrika lalao ny harivan’iny tamin’ny 4. Ankoatran’izay, tsy hiverenana intsony ny fifanatsahan’ny ara-batana na dia teo aza ny elanelana tamin’ny resaka lentan’ireo mpilalao 2 tonta. Sarotra ny hilaza fa ireny Barea tamin’ny 11 jona ireny no hanao tompon-daka eran-tany. Tsy azo lavina kosa nefa ny hoe tena niady mafy ireo boay kely ary tena mendri-piderana ireo lalao miisa 2 niatrehany an’i Kaomoro sy Mali na dia teo aza izay resaka lentan’ny fifaninanam-pirenena misy ny mpilalao tsirairay avy izay. Azo lazaina ho diso kajy na paikady ihany ve nefa ny mpanazatra teo amin’ny lafiny fiantsoana sy fifantenana ireo mpilalao? Nisy paikady diso ihany koa ve teo amin’ny rindran-dalao sy fampidirana ireo ho 11 voalohany ary ireo nasolo azy? Heverina fa mbola fakafakana sy dinihina tsara izany rehetra izany mandra-pahatonga ny volana martsa 2025, izay hiverenana hiatrehana ireo andro miisa 6 sisa tsy vita tamin’iny fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany 2026 iny. Na inona na inona vokatra azo amin’io rahateo moa dia efa naman’ny fanomanan-tena amin’ny fiatrehana ny CAN 2025 voalaza teo koa ireo lalao vita rehetra. Heverina fa tena ambony, araka izany, ny herijika hiatrehantsika ny CAN 2025 raha toa ka mbola ady mafy ary tsy mbola ahafahana misioka satria mbola tsy tafavoaka ny ala ny mikasika ny tompondaka eran-tany 2026.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique