airtel

Sport

30-août-2022

Sport

Cedric Djavö “Mandresy an’i Botswana 2 noho 0 isika amin’ny zoma”

Sample post image

Misy fanantenana ny fanomanana ny CAN 2023, hoy ny tekinisianin’ny kitra malagasy sady mpitantana klioba, Cedric Djavö. Na dia mihemotra aza,

30-août-2022

hoy izy, ny fifanintsanana dia efa karazana fanomanana ihany ny atao any Maraoka amin’ny septambra mandritry ny fifaninanana izay andraisana ekipam-pirenena miisa 12 anjara. Ho an’ny CHAN moa dia tombony lehibe ho antsika ny nandresy 1 noho 0 tany an-tanin’olona. Mila mifantoka sy tena manome ny rehetra any aminy anefa ny mpilalao sy ny mpikarakara na STAFF rehetra mba hahafahana manoratra ny tantara, indrindra, ho an’ny baolina kitra eto an-toerana. Mandresy 2 noho 0 isika amin’ny zoma raha ny fahitako azy. Tsy tena nahita ilay lalao mandroso nihaonana tamin’i Botswana aho fa tombony ho antsika foana ny talenta. Eo koa ny hazakazaka ananantsika sy hafainganam-pandeha hananantsika. Ny fampidirana izay rehetra izay anaty stratejia maty paika no mila tena hananan’ny mpanazatra, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,

Card image cap