divizionina faharoa na Challenge league, no takatry ry Caddy Warren, lohalaharana malagasy, sy ny ekipany ao amin’ny FC Stade Lausanne Ouchy ny alin’ny zoma teo na dia nanezaka mafy nitady fandresena aza nanoloana ny ekipan’i Vaduz. Azo lazaina hoe nody ventiny ny rano natsakaina na dia mbola tsy ampy niakarana any amin’ny divizionina voalohany eo amin’izay fifaninanam-pirenena soisa eo amin’ny taranja baolina kitra izay aza. Nandresy tamin’ny isa 2 noho 0 moa ry Caddy ary izy no nampiditra ny baolina voalohany tany amin’ny minitra faha 78. Efa taty amin’ny minitra faha 90 vao nahatafiditra ny baolina faharoa i Diogo Rafael Mendes Carraco. Baolina miisa 18, araka izany, no tafiditry ny Caddy tao anatin’izay lalao miisa 29 izay, raha ny fampitam-baovao voaray hatreto aloha.
Nangonin’i J. Mirija
Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.
Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,