airtel

Sport

05-juil-2022

Sport

Champions league Atsimondrano Nobatain’ny AS Sainte Anne Bongatsara ny amboara

Sample post image

Niady dia niady ny lalao famaranana ny Champions league Atsimondrano izay notohizana ny alahady teo noho ny olana ara-toetr’andro tamin’ny herinandro.

05-juil-2022

Nobatain’ny ekipan’ny AS Sainte Anne avy ao Bongatsara moa no niafarany ny amboara ary izy ireo, araka izany, no nahazo ilay lelavola mitentina 2 tapitrisa Ariary avy amin’ny mpikarakara ny fifaninanana dia ny depiote Andry Ratsivahiny. Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ity klioba ity sy ny mpifanandrina aminy dia ny ekipan’ny Tanjombato Centre nandritry ny fe-potoana ara-dalana. Tao anatin’ny fanalavam-potoana kosa no nahatafidiran’ny ekipan’I Bongatsara ny baolina faharoa nitondra azy ireo tany amin’ny fandresena tamin’ny alalan’ny moka foy 2 noho 1.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap