anjara amin'ny Championnat d'Afrique des Nations na CHAN 2022. Ho tanterahana any Alzeria ny volana janoary 2023 moa ny fifaninanana, raha tsiahivina hatrany. Anio, araka izany, no ho fantara izay fanovana na fiazonana ireo mpilalao nofidian’ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na Rôrô hiatrika izay dingan’ny famaranan’ny CHAN 2022 izay. Amin’ny maha fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika fa tsy fiadiana ny amboaran’I Afrika toy ny CAN azy moa dia ireo mpilalao avy ao an-toerana, izany hoe milalao ao anatin’ny firenena nihaviany avy ihany, no azon’ireo mpanazatra hajoro hiaro ny voninahim-pireneny avy ao anatin’ity fifaninanana iraisampirenena ity, raha tsiahivina hatrany.
J. Mirija