Ao anatin’ny Vondrona B no misy an’i Madagasikara, miaraka amin’i Tanzanie, Mauritanie, Burkina Faso, ary Centrafrique. Azo lazaina ho antonony sy tsy dia atahorana ireo Firenena iray vondrona amintsika na tsy dia azo hamaivanina aza i Mauritanie sy Burkina Faso, ary tombony ho an’i Tanzanie ny maha mpampiantrano azy. Miankina amin’ny fiomanana anefa, ary tsy vitan’ny kajikajy ambony latabatra na filaharana ara-taratasy satria matoa tafakatra amin’ny dingana famaranan’ny CHAN dia tsy azo hamaivanina. Marihina fa miisa 4 ireo Vondrona ka ho an’ny Vondrona A dia hifampitady ao i Kenya, Maroc, Angola, RD Congo, Zambia,… Azo lazaina ho maozatra ity Vondrona ity. Anatin’ny Vondrona C kosa i Ouganda, Niger, Guinée, ary ny Q1 sy Q2, raha toa ka hifampitady ao anatin’ny Vondrona D i Sénégal, Congo, Soudan, Nigeria. Hangotraka ihany koa ny ao anatin’ity Vondrona ity izay misy an’i Sénégal izay tompon’ny amboara farany, saingy heverina ho maozatra ihany koa i Nigeria. Miakatra ambony kokoa rahateo ny lentan’ny CHAN amin’ity satria tafakatra 10,5 tapitrisa dolara ny vola iadiavana, ka 3,5 tapitrisa dolara ny an’ny voalohany raha 2 tapitrisa dolara teo ho eo teo aloha. Tokony ho natao any any Kenya, Tanzanie, Ouganda ny febroary izao moa ny CHAN saingy nihemotra ho amin’ny volana aogositra.
Toky R
Nikatona tanteraka tanteraka ny alahady teo ny “Ligue des Nations 2025”.
Azo lazaina ho tsaratsara ny vokatra ho an'ny Barea Cosafa izay
Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy, izay eo ambany