airtel

Sport

20-mars-2024

Clément Couturier

Nitondra voandalana ho an’ny Barea

Sample post image

Anisan'ny tena fanirian'i Clément Couturier, irakiraka eo anivon’ny Swift Esperage,

20-mars-2024

klioban’ny baolina kitra divizionina voalohany ao Luxembourg, ny mba hanitsaka ny tany izay hananany fiaviana sy fiavian'ny vadiny, raha ny resaka nifanaovana taminy. Tsy aiza moa io tanindrazana ambarany io fa eto Madagasikara. Naniry mafy ny ho mbola voaantso eo anivon’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara izy tao aorian'ny fiantsoana farany mba ahafahany mahita an'i Madagasikara. Rehefa tanteraka izany dia tsy tonga tanam-polo ity mpilalao mandia ny faha 30 taonany, 1,83m ity, fa niaraka tamin'ny fanomezana fitaovana fanaovana baolina kitra izay niarahana tamin'ny kliobany na ny Swift esperage, izany hoe voandalana ho an’ny Barea, toy ny arotanana ho an’i Nina, izay mpiandry tsatoby voalohan’ny ekipam-pirenena, sy fanamiana entina manao fanazarantena ho an’ny ekipam-pirenena koa, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.

Card image cap
19-juin-2025

Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,

Card image cap