airtel

Sport

06-avril-2021

Sport

Coach Eliasy Vonona hanampy ny Barea

Sample post image

Mpanazatra malagasy kalaza ao Frantsa, nametrahan'ny Frantsay fitokisana satria dia napetrakan'izy

06-avril-2021

 

 

 

ireo ao amin’ny fitantanana tekinika nasionaly ao amin’ny federasionina frantsain’ny baolina kitra na FFF ny Coach Eliasy. Manana diplaoma UEFA C, UEFA B, UEFA A ny tenany ary manana sertifika marobe mikasika ny fampivoarana ny baolina kitra ihany koa. Efa nitondra klioba goavana tao Frantsa. Vonona aho hiaro mafy ny voninahitr’i Madagasikara raha toa ka voaantso hiditra ao anatin'ny Staff Barea, hoy izy, raha ny fampitam-baovao voaray. Tiako i Madagasikara ka vonona hanohana amin’ny heriko iray manontolo ny tenako. Tsy afaka manao mpanazatra na mpifantina kosa anefa izy noho ny adidy sy andraikitra izay sahaniny ao amin’ny FFF, raha ny fanazavana. Afaka manampy akaiky ny ekipa kosa hiakarana hahazoana fahombiazana. Mety ho moramora kokoa amin’ny ekipam-pirenena malagasy ny hanaovantsika lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipam-pirenena frantsay rehefa mba tafiaraka ao amin’ny Staff Barea izy amin’ny maha mpikamban’ny DTN azy ao amin’ny FFF, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap