ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô. Tsy nanakana azy hilaza ny faniriany mikasika ny fanomanan-tenan’ny Barea amin’ny tohin’ny fiadiana ny tapakila ho any amin’ny amboara eran-tany amin’ny 2026 anefa izany. Aleo mifampitsapa amin’ny ekipa ngeza, hoy izy, raha azo atao amin’io fotoana fiatoan’ny FIFA na “fenêtre FIFA” io. Mety hamitaka ihany tsinona, hoy izy, ny handresy ekipa heverina fa maivana dia hamalifaly fotsiny ireo mpankafy fa tsy tena ahitana ny fanamboarana tokony atao. Raha azo atao, hoy hatrany ny tenany, dia tena ilaina ny manasa ireo andrarezina toa an’i Kameronina, Alzeria, Maroc.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny