airtel

Sport

12-sept-2023

Coach Rôrô

“Tapitra ity ny fifanarahana…”

Sample post image

Tapitra ity ny fifanarahana taorian’ny vonjiranovaky izay tsy niambohoana ny adidy nanendrena ahy hitondra ny Barea,

12-sept-2023

hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Medaly alimo isika tamin’ny CHAN, hoy izy. Medaly volamena tamin’ny lalaon’ny nosy. Nibata ny amboara Jubilé Ahmad. Tsy resy isika tamin’ireo lalao miisa 2 fifanintsanana na “qualifications” CAN izay nodimbiasana farany na dia efa tsy tafiditra anaty lisitr’ireo tafiakatra intsony aza. Saingy nahatohitra kosa ny Ghana sy Angola. Lalao goavana miisa 6. Ady sahala 3. Fandresena 3. Tsy afaka hiteny hoe «mission accomplie» na iraka vita satria tsy mbola eo ny nofinofin’ny Malagasy. Faly fa tsy resy kosa na nanafika tany ivelany na teto an-toerana. Mamelà ahy haneho fankasitrahana ny malagasy rehetra tsy an-kanavaka nanome fitokisana. Tsy nanamavo ny an’ny tena fa natoky sy nametraka fanantenana nahafahako niseho tamin’ny sehatra maro sy lehibe. Na toy ny omby mahia be tandroka aza ka nizaka ny tsy eran’ny aina satria sady nanazatra ny CHAN U-23, Barea nanao lalaon’ny nosy, Barea nanao CAN. Niezaka natoky ihany isika malagasy ka tsy niala lavitra. Nomena aho dia tsy maintsy misaotra. Mankasitraka tompoko nanome fitokisana, hoy hatrany ny lehilahy!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap