airtel

Sport

03-août-2021

Sport

Critérium U12 andiany fahatelo Ankizy mpankafy basikety maherin’ny 500 no asaina

Sample post image

Miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ity taona ity ny hetsika Critérium U12. Araka izay anarany izay moa dia fotoana iray izy io ahafahan’ireo ankizy manodidina ny 11 sy 12 taona maherin’ny 500 isa,

03-août-2021

mankafy ny taranja basikety eto Madagasikara, mba hampivelatra izay fitiavana sy mety ho talentany izay. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny MVola, isan’ny mpikarakara ny hetsika moa, dia marolafy ireo fandaharam-potoana ao anatin’izany ka anasana ireo ankizy tafiditra ao anatin’ireo sokajin-taona ireo. Eo ny fampisehoana fahaizana na “demonstration”, ny lalao isan-karazany, fampiofanana ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra ihany koa. Tanjon’ny federasionina Malagasin’ny Basket ball, izay tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity hetsika ity, ny fitrandrahana ireo ho dimbin’ny ekipam-pirenena Malagasy atsy ho atsy, hoy hatrany ny fanazavana. Hifarana ny 7 aogositra izao ity hetsika atao etsy amin’ny kianja mitafon’ny Akamasoa etsy Andralanitra ity fa etsy ankilany ihany koa dia omena fahafaham-po manokana ireo ankizy hita ho mendrika ao anatin’ny hetsika mba hijery ny fivoahana voalohan’ilay sarimihetsika Space Jam 2 eto Madagasikara izay sarimihetsika iarahana amin’ilay kintan’ny basikety NBA Amerikanina milalao ao amin’ny ekipa malaza LA Lakers, LeBron James.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap