airtel

Sport

03-mai-2024

Deda Randrianarivelo - Basket 3x3

« Manana tombony isika misy an'i Anthony »

Sample post image

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

03-mai-2024

Misy dia misy ny fanantenana hoy ny mpanazatra Deda Randrianarivelo raha tafaresaka taminay avy any. Tia Tanindrazana : inona no tombony amn'ity fiofana any Serbia ity ho anlny Ankoay ? Deda Randrianarivelo : "Tena be dia be ny tombony satria dia mbola mianatra foana aloha hatreto raha resaka Basket 3x3. Ao amin'ny Academy Serbian Basket-ball 3x3 mantsy no miofana izay ahitana ireo sangany eran-tany. Aty miaraka aminay izay ny Pologne fa mbola misy hafa ho avy eo ary misy ireo ekipa matihanina handray anjara amin'ny fifaninana any Belgrade izay tena ahazoana traikefa. Tena mety ny aty Serbia ary hisaorana ny federasiona nahazoana izao fiofanana tena avo lenta izao ary tsy maintsy hamoaka vokatra tsara." Tia Tanindrazana : Iza no tena atahorana ao anatin'ny vondrona misy ny Malagasy mandritra io fiadiana toerana io ? D.R. " Samy te ho any Paris ka tsy misy ekipa azo hamaivanina. Fa amin'ny ny saina tsy miangatra aloha dia i Lutuania no tena mafy. Ekipa fahatelo eran-tany rahateo ry zareo." Tia Tanindrazana : Fa na izany aza mbola vonona hiady ianareo mba ho tonga anatin'ny telo voalohany handeha any Paris. Misy olana ve ny tsy maha eo an'i Rick Ley ? D.R. : " I Rick Ley anie naratra rehefa niverina tany Rosia e. Mitsabo tena any Mahajanga izy ary miala sasatra enim-bolana. Fa izaho miteny aminao fa manana tombony isika misy an'i Anthony. Tsy vitan'ny hoe miaraka amin'i Livio sy Arnol izay miaraka milalao aminy ao amin'ny COSPN fa mahay izy. Mipitipitika ary mahay mamono baolina kokoa raha mitaha amin'i Rick Ley sy Fiary." Tia Tanindrazana : Koa naninona noho izao vao hita ity Anthony Rasolomanana ity ? D.R. : " Efa tao anaty ekipa voafantina hiatrika ny African Cup tany Egypta izy no naratra ary tsy tafaverina raha tsy tamin'ny Lalaon'ny Nosy farany. Izao izy tena ao amin'ny heriny dia hita eo raha ahavita hanoratra tantara ny Ankoay ka usan'ny ekipa handray anjara voalohany amin'izany Lalao Olimpika izany."
Nongonin'i Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Miditra eo amin'ny fifaninana Afrikanina daholo izao na ny Barea na ireo ekipa roa misolotena antsika dia ny Elgeco

Card image cap
18-juil-2024

Efa any Botswana ny ekipa malagasy hiady ny fiakarana ho Vondrona faha 4 amin'ny Coupe Davis.

Card image cap