Rakotonirina na i Dezy Monstre tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahatena niandrasana ny nofo mangatsiakany mialoha ny hitondrana aza any Fandriana omaly. Tsara fa tara hoy ny fanamarihan'ny maro satria dia niafina fa tena sahirana izy. Ny farany nahitana azy aza dia izy handeha tongotra hamonjy hopitaly eny Itaosy .Mendrika fandatsana noho izany iry fihetsiky ny minisitra Haja Resampa ity satria dia tsy nisy nijery i Dezy fony fahavelony . Fanta-poko fantam-pirenena anefa raha i Dezy Monstre noho ny fahaizana sy ny fahafoizan-tenany ho an'ny baolina kitra .Asa aloha fa fotoana hieritreretana izao mikasika ireo kintan'ny Fanatanjahatena mbola velona. Rehefa nohalalinina mantsy tsy mitondra na inona na inona ho an'ireo taranany ity Chevalier ity. Raha tsy hoe avadika soavaly angamba.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona