airtel

Sport

23-févr-2022

Sport

Dimitry Caloin Lasan’ny Fosa Junior

Sample post image

Rehefa azo lazaina ho nisafotofoto teny ny fiainana ara-panatanjahantenan’ilay mpilalao baolina kitra Malagasy, Dimitry Caloin, dia ny Fosa Junior,

23-févr-2022

divizionina voalohany eto Madagasikara izany manomboka eto no nofidiany hanohizana ny lalana maha vodilaharana afovoany azy. hatramin’ny taona 2010 no nanirian’ity mpilalao goavambe 31 taona, mirefy 1,92 metatra, 73 kilao ity hilalao amina fifaninanam-pirenena ho an’ny klioba divizionina voalohany saingy tsy nety nahita izany intsony nanomboka ny taom-pilalaovana 2019-2020 fa dia teo amin’ny sokajy N1, izany hoe divizionina faha 3, rehefa nilalao tao amin’ny FC Villefranche Beaujolais, Frantsa, na dia efa tao amin’ny ekipan’ny mpilalao fiandry tao amin’ny FC Toulouse, Frantsa, ihany aza nandritry ny taom-pilalaovana 2010-2011. Tao amin’ny Limoges FC, Frantsa ihany, indray, ny taom-pilalaovana 2017-2018, rehefa tsy nanana klioba nandritry ny 6 taona. Nilalao herintaona tao amin’ny SO Cholet avy eo nialohan’ny nandalovany tao amin’ny Villefranche, araka ny efa voalaza teo. Nilalao tao amin’ny fifaninanam-pirenena N2 tao amin’ny FC Fleury 91 indray ny taona 2021 ary dia niafara tao amin’ny FC Angouleme, mbola N2 frantsay hatrany hatramin’ny fiandohan’ity taona 2022 ity. Tsy nety tafala tao Frantsa mihitsy ny lehilahy na dia nisy ihany aza ny fifanarahana tsy mety raikitra tamina klioba hafa toy ny divizionina faharoa iray tao Thailand sy divizionina voalohany moldave ny septambra 2021 teo. Ho hita eo, araka izany, izay ho fivoarany amin’izao izy lasan’ny Fosa Junior izao.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap