airtel

Sport

28-déc-2022

Sport

Disadisa ao anatin’ny Barea A Tsy isan’ireo hiatrika ny CHAN i Drogba

Sample post image

Tapa-bolana mahery tsy hiatrehana ny CHAN (Championnat d’Afrique des nations) hatao any Algérie ny 13 janoary hatramin’ny 4 febroary 2023,

28-déc-2022

miseho ny olana sy fifandirana eo anivon’ny ekipam-pirenena Barea A’. Nilatsaka ny vaovao omaly, fa tsy isan’ireo mpilalao hiatrika ity fifaninanana ity i Fanomezantsoa Tsilavina na Drogba, izay nandao nyy fampivondronana tetsy amin’ny Ivon-toerana momba ny baolina kitra etsy Nandihizana Carion. Noho ny olana nisy teo amin'i Drogba sy ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe na RôRô no voalaza fa antony. Voalaza fa ny tsy fanajany ny fitsipika no antony nitarika ny disadisa teo amin'ny roa tonta. Araka ny nambaran'ny Mpanazatra Rôrô ihany dia omaly talata izy no nangoron'entana dia tonga dia lasa. Ny takarivan’ny 24 desambra moa no voalaza fa nisy ny fifandirana teo amin’ny roa tonta, ka nanehoan’ny mpanazatra fa misy ny fitsipika ao anatin’ny ekipam-pirenena. Ora maromaro ihany no nijanonan’I Drogba tao anatin’ny fampivondronana satria raha efa nanomboka ny 12 desambra no nivondrona ireo ekipa voafantina, dia efa tamin’ny ora farany kosa no nantsoina i Drogba, ka nambaran’ireo Staff teknika fa ny tsy fahatomombanany no tsy niantsoana azy, ary ny mpanazatra no voalaza fa nanoka-baravarana indray ho azy. Ity farany izay naneho fa natao ho an’ny rehetra ny fanajana fitsipika, ary tsy misy olona ambonin’izay sy tsy azo kitikitihina. Tsara ny manamarika fa I Drogba no mpampidi-baolina betsaka indrindra ho an'ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ny lalao fifanintsanana hiakarana amin'ity CHAN 2023. “Bonne chance les gars, Alefa Barea”, hoy izy tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Ankoatra azy, dia voalaza fa nahilika tsy ho ao anatin’ny ekipam-pirenena amin’ity CHAN ity ihany koa I Philémon Ratovonanahary noho ny tsy fanajana fitsipika. Tsy isan’ireo afaka hiatrika ny fifaninanana ihany koa I Tsito Razafindrasata noho ny ratra. Sambany tafiakatra amin’ny CHAN I Madagasikara, ary maozatra ny iray vondrona amintsika dia I Maroc, Ghana, ary Soudan. Ny 15 janoary ny lalao voalohany ho antsika hifandonana amin’i Ghana ary ny 19 janoary kosa hifampitady amin’i Maroc, ary any amin’ny 23 janoary dia hifandona amin’i Soudan.
MISY FITSIPIKA MIFEHY NY FAMPIVONDRONANA
Mbola ao anaty fanomanan-tena tanteraka ny Barea CHAN amin’izao fotoana izao, eny Centre Technique National - Carion. Afaka andro vitsy dia hanainga ho any Tunisie izy ireo hanantanteraka lalao ara-pirahalahina. Fampatsiahivana: ao anatin'ny fampivondronana tahaka izao dia misy ny fitsipika mifehy ny mpandray anjara rehetra. Ireo izay voaantso anatin'izany fampivondronana izany dia manana safidy malalaka ny hanaiky na tsia ny fiantsoana azy, ary ny hanaiky na tsia ireo fitsipika. I Razanakoto Fanomezantsoa Tsilavina dia nisafidy ny nandao ny fampivondronana rehefa tsy nety taminy ny fitsipika mifehy ny fampivondronana.", hoy ny serasera nataon’ny Federasionina eo anatrehan’ny raharaha.

Toky R

 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

Card image cap
08-mai-2024

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

Card image cap
07-mai-2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

Card image cap
07-mai-2024

ny 3 jona izao isika no hihaona amin’ny Kaomoro, izany hoe 1 volana latsaka sisa,

Card image cap