airtel

Sport

22-janv-2024

Disadisana tompona klioba sy arbitra

Tonga hatrany amin’ny resaka fampidirana am-ponja

Sample post image

Resaka mpitantana kliobana basikety tsy faly amina mpitsara baolina eo

22-janv-2024

amin’ity taranjam-panatanjahantena ity no tonga hatrany amin’ny resaka fampidirana am-ponja ilay mpitsara, raha ny vaovao nalaza ny faran’ny herinandro teo tao Mahajanga tao. Raha ny fanazavan’ny olona akaiky ity mpitsara ity moa dia nisy ny fifamaliana teo amin’ilay mpitsara lalao sy ilay filohana klioba. Tezitra ity farany rehefa tsy afa-po tamin’ny fanapahan-kevitr’ilay mpitsara ka dia tonga tany amin’izay resaka fampidirana am-ponja izay ny raharaha. Miangavy ny mpitondra fanjakana ao an-toerana, noho izany, ireo akaiky ity mpitsara ity mba hijery izao zava-misy ao an-toerana izao.
J. Mirija
Légende: Ilay mpitsara lalao
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap