airtel

Sport

10-juin-2024

Sport

Ekipam-pirenen’i Mali Anio vao higadona any

Sample post image

Anio 10 jona maraina vao higadona any Johannesburg Afrika Atsimo ny ekipam-pirenena Malianina,

10-juin-2024

y hifandona amin’i Madagasikara eo amin’ny andro faha-4 amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny « Mondial 2026 », rahampitso amin’ny 4 ora hariva ora Malagasy. Ny sabotsy teo tamin’ny 3 ora maraina tany an-toerana no tokony ho nanainga tao Bamako ny fiaramanidina nitondra azy ireo, saingy tsy afaka nanainga noho haratsian’ny toetr’andro. Voatery nofoanana ihany koa ny sidina efa vita programa noho ny olana ara-teknikan’ny fiaramanidina, ka voatery niandry vahaolana tao Bamako. Tamin’ny fotoana nanoratana, dia mbola teo am-piandrasana ny ora marina hiaingan'ny sidina sy hilatsahany ao Johannesburg izy ireo, ka raha ny vaovao farany, dia amin’ity anio ity amin’ny 10 ora no ho tonga atsy Afrika Atsimo. Tombony ho an’i Madagasikara io satria tsy dia manana fotoana firy hiomanana izany izy ireo, ka tokony ho haintsika ny manararaotra ny tombondahiny. Na izany aza, ekipam-pirenena isan’ny manana ny tanjany sy tena mahay miaraka ny Malianina, ka mila mailo isika. Ny hirariana dia ny hivoahantsika mandresy mba hanatsara ny toerana satria henjana ny ady toerana noho i Mali manana isa 4 ka raha sanatria maharesy dia lasa manana isa 7, kanefa ny ady manoloana ny fitoviantsika isa amin’i Comores sy Ghana izay faharoa sy fahatelo vonjimaika aza manahirana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap