airtel

Sport

10-juin-2021

Sport

Eric Rabesandratana “Mahafapo ny fiarahana hatreto”

Sample post image

Ilaina ny mahafantatra ny momba ireo mpilalao, hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra,

10-juin-2021

 

 

Eric Rabesandratana, nandritry ny fihaonana nifanatrhiny faharoa tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Ibis Akorondrano omaly. Nahafinaritra ny tontolo andro omaly (TTF: Ny talata teo), hoy izy. Tena nandray tsara ny toromarika rehetra ny mpilalao. Azon-drizareo fa ilana asa ny vokatra azo ambony kianja ary mila izany koa ny tohiny rehetra manaraka. Mandeha ho azy ny fametrahana fitsipika satria tsy natao haka ny toeran’ny polisy akory izahay fa eto mba hametraka amin’ny toerana maha matihanina kokoa. Ao anatiny ny fiomanana ivelan’ny kianja sy toeram-piomanana na “vestiaire”, ny fitantanana fotoana sy fisakafoana ary ny mifanaraka amin’izay rehetra. Ilaina ny manomboka amin’izay ary tena vonona tamin’izany ireo mpilalao. Tena tsara hatreto ny fiombonana na “esprit du groupe”. Manana hetaheta hiaraka hanatanteraka vokatra tsara izahay. Misy lafin-javatra mbola mila iasana fa ny zava-dehibe aloha dia efa ao ny fiombonana. Miezaka mametraka fiarahana eny ambony kianja izay mety efa nisy teo aloha saingy mila hamafisina kokoa izahay. Ny lafiny takitika indrindra indrindra satria tsapa ho nisy fandringana tao. Ezahana noho izany ny hametraka fandrindrana mendrika indrindra, araka izay tratra. Mahafapo hatreto ny fiarahana, hoy hatrany izy. Ilaina ihany koa ny manome ireo mpilalao fandaminana mikasika ny lafiny fanafihana sy fiarovan-tena. Manitsy avy eo raha ilaina, hoy kosa ny mpanazatra mpanampy, Fabiano Jose Costa Flora, ary isan’ny niasana mafy koa izany tao anatin’izay 2 andro izay.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap