airtel

Sport

11-oct-2021

Sport

Eric Rabesandratana “Nahafa-po ny lalao, tsy hiantso ireo nandà aho”

Sample post image

« Nanome fahafaham-po ny ekipa. Faly tamin’ny lalao nasehon’ny ekipa sy ny foto-pisainana nasehon’ny mpilalao aho.

11-oct-2021

Tsy misy kisendrasendra ny baolina kitra, rehefa miasa dia mahazo vokatra”, hoy ny mpanazatra Eric Rabesandratana omaly taorian’ny lalaon’ny Barea. Nambarany anefa fa somary narefo isika, indrindra tamin’ny lafiny fiarovan-tena. Nisy ny fahatahorana kely. Tsy tena nanana fotoana tena niomanana, ary Boyer aza dia ny sabotsy vao tonga, ary isan’ny tena mbola hikotranana ny fametrapetrahana ny rindran-damina mipetrapetraka na “automatismes”, fa na izany aza dia tena naneho fiarovan-tena tsy mampino ny rehetra”, hoy ny mpanazatra ny Barea. Nambarany fa iny fandresena iny dia fandresen’ny vahoaka rehetra, fandresen’ny ekipa rehetra, fa tsy fandresen’ireo 11 niakatra an-kianja ihany. Tanjona ny hahazo isa 6 amin’ireo lalao roa farany, ary tsy nampoizina, hoy izy ny fandresen’I Tanzanie omaly, izay manome aina ny fifaninanana ao anatin’ny Vondrona J. Miankina amin’ireo lalao hafa ny vintana ho antsika, saingy mametraka ny moraly ho ambony. Mikasika an’I Mathyas manokana izay sambany tompon-toerana dia naneho ity mpanazatra ity, fa « naka risika hamoaka ny baolina any amin'ny 25m. Nomena toromarika, fa tsy nihaino. Mpiandry harato tanora izy. Niresaka tamin’ireo mpilalao afovoan-kianja aho taorian’izay, ary naneho fa te handefa baolina any aloha foana izy,… Na izany aza tena naneho lalao tsara izy. Mila lalao ao anatin’ny klioba. Hiresaka amin’ny mpanazatra an’i PSG aho mba ahafahany milalao tsara kokoa ». Ho an’ireo mpilalao nandà ny fiantsoana kosa, dia tsy misy antony hiantsoana azy, ary tsy hiantso azy aho », hoy i Eric Rabesandratana. Isan’ny niteraka adihevitra moa ny mpilalao iray izay nilaza fa naratra, kanefa nilalao tao amin’ny kliobany ny 06 oktobra iray andro nialohan’ny lalaon’ny Barea tany Kinshasa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap