airtel

Sport

08-oct-2021

Sport

Eric Rabesandratana « Nitanila ny mpitsara, nivoatra isika na resy aza »

Sample post image

Naneho hevitra avy hatrany mikasika ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy RD Congo ny mpanazatra Eric Rabesandratana taorian’ny lalao omaly.

08-oct-2021

 “Tsy fombako ny mitaraina sy mitsikera fa kosa androany, dia mpilalao 11 no nifanohitra tamin’ny mpilalao 15", hoy izy. Nohitsiany fa tena tsy mety ny nataon' ny mpitsara 4. Hita be ilay fakana ankilany, hoy izy. Niharihary moa ny fiangarana tamin’ilay fanomezana “penalty” an’I RD Congo ankoatra ny fitsarana tamin’ny ankampobeny. Tsy hijery ny faharesen’ny Barea aho fa kosa ny zavatra hitako dia nandroso ny fomba filalaon' ny ekipa, raha oharina tamin’ireo lalao 2 teo aloha, hoy izy. Sarotra ny lalana nahatongavanay taty, tsy nisy akory fanazaran-tena raha tsy omaly hariva, nisy tsy tomombana ara-batana ny mpilalao, nefa hitako fa nihatsara ny lalao nataon ' izy ireo, hoy i Eric Rabesandratana. Mino aho fa hisy vokany tsara ny lalao hatrehana amin’ny alahady any an-tanindrazana, ary afaka mahita vokatra raha tomombana araka ny tokony ho izy ny fepetra rehetra, ary hanova ny lesoka hita, hoy io mpanazatra io. Nanomboka hita ho nanana fahasahiana i Eric Rabesandratana omaly, nampijoro mpilalao vao nantsoina, saingy mbola misy kosa ny adihevitra momba ireo mpilalao atao tompon-toerana hatrany na efa tokony nanatsoahana lesona aza ny vokatra nentiny, toy ny lohalaharana iray izay mba efa nesorina teo amin’ny minitra faha-60 omaly, fa eo ihany koa ny mpiandry harato, izay nihen-danja taorian’ny CAN 2019. Efa nazava iny ny tenin’ny mpanazatra ny alarobia teo, fa mila manova satria efa miha antitra ny mpilalao. Miezaka mahita mpilalao vaovao isaky ny lalao. “Ilaina ny faharetana. Raisina ho isan’ny fanomanana ihany ity fifanintsanana ny fiadiana ny amboara eran-tany ity, fa ny tena tanjona dia ny CAN 2023 “, hoy izy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap