goavana ho azy ny Klioba Italianina Atalanta Bergame omaly. Nobatain’izy ireo ambongadiny ny amboara teo amin’ny famaranana ny Europa League 2023-2024, natao tany amin’ny Aviva Stadium any Bublin Ireland. Montsany tamin’ny isa mavesatra 3-0 ny Bayer Leverkusen, ka ilay mpilalao Nigérian Ademola Lookman avokoa no namono ny baolina. Nofy ratsy ho an’ny Bayer Leverkusen sy ny mpanazatra azy Xabi Alonso, izay nandravarava sy nametraka tantara noho izy ireo tsy resy tao anatin’ny lalao 51 nataony, saingy nampandohalihan’ny Atalanta teto. Anaram-boninahitra lehibe faharoa ho an’ny Atalanta io ary 61 taona no nikatsahany azy satria ny taona 1963 no nibatan’izy ireo ny amboara lehibe dia ny amboaran’i Italie.
Toky R
Nilatsaka ny fanapahan-kevitry ny CAF (Confederation Africaine de Football) omaly 14 janoary 2025,