airtel

Sport

05-mars-2024

Fahatongavan’i Coquelin ao amin’ny Barea

«Miankina amina zavatra be dia be»

Sample post image

Izaho manokana efa tafaresaka tamin’i Francis Coquelin,

05-mars-2024

hoy ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara, Romuald Rakotondrabe na Rôrô. Tena efa niresaka mihitsy, hoy izy. Tao aorian'izay, nahita ianareo angamba fa nisy fotoana i Bolida nidina tany mihitsy. Iaraha-mahalala tsara fa i Coquelin, nandritra ny herintaona teo angamba, no naratra, fa manomboka miverina kely izy. I Francis Coquelin manaiky amin'izao fotoana izao fa aleo hoy izy aloha mba ho tena "stable" na tomombana tsara. Izany hoe sady efa niresaka tamiko izy no niresaka tamin'i Bolida. Vonona izy ny hilalao ato amin'ny ekipam-pirenena malagasy. Ny hirariana sy mba angatahana amin'Andriamanitra dia mba ho afaka hilalao tsara izy amin'ny volana jona, mba tsy hisy haratra. Tsy midika izany akory, fa sao rehefa avy eo indray any amin'ny "réseaux sociaux" na tambazotran-tserasera dia hoe hoy i Coach Rôrô hoe ho avy hono i Coquelin amin'ny volana jona! Efa manaiky izy fa miankina amina zavatra be dia be izany, hoy hatrany ity mpanazatra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap