Hisorohana izany dia nanambara ny jeneraly Andry Rakotondraka Lehiben’ny CIRGN Antananarivo omaly fa ho hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra ny famaranana ny lalaon’ny Nosy taona 2023 hatao ny 03 Septambra ho avy io. Hohamafisina ny fandaminana ho amin'ny fidirana sy fivoahana ny kianjan’i Barea.Samy hanana ny lokony ny vavahady tsirairay avy mba hampiavaka azy, raha araka ny fanazavana azo. Amin'ny 8 ora maraina dia efa zaraina ny tapakila ary efa misokatra ny vavahady. Mbola eny am-pilaharana dia efa hosivanina isaky ny lokon'ny tapakila ny olona hiditra isaky ny vavahady. Hisy ihany koa ny fandaminana mikasika ny fiara. Na ny hiditra ao anatin’ny kianja na ny manodidina ny kianja. Raha vao misy tranga fitangoronana hoy hatrany ny fanazavana dia hisy fepetra hisorohana ny korontana sy ny fifanosehana.
Pati
Legende : Ny jeneraly Andry Rakotondrazaka, nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly !
Navoakan’ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara omaly ny lisitr’ireo 24 mirahalahy