airtel

Sport

30-janv-2024

Famaranan’ny Telma coupe de Madagascar

Naneho ny hatezerany i Tota

Sample post image

Naneho ny hatezerany ny filohan’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy,

30-janv-2024

Henintsoa Rakotoarimanana, manoloana ny vokatry ny famaranana teo amin’ny tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja baolina kitra na Telma coupe de Madagascar tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By pass ny alahady teo. Resin’ny Elgeco plus 2 sy 1 moa ny CFFA tamin’io fotoana io, raha tsiahivina. Iny no vita, hoy ity filohana klioba sady ben’ny tanànan’Andoharanofotsy ity. Arahabaina ny Elgeco plus, hoy izy, nahazo ny amboara. Te hanontany ny federasionina kosa aho hoe fa atao inona ireo mpitsara iraisam-pirenena no mpitsara nasionaly no natao nitsara lalao? Sa ve ny mpitsara nasionaly no azo baikoana, hoy hatrany ny filohan’ny CFFA. Tsiahivina fa ny filohan’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ankehitriny moa no filohan’ny Elgeco plus teo aloha, mba tsy hilazana hoe filoha mpanorina azy mihitsy. Depiote voafidy tamin’ny lokon’ny vondrona politika an’ny fitondrana rahateo ihany koa na IRD ity farany raha toa ka ben’ny tanàna voafidy tamin’ny anaran’ny Isika rehetra kaominina miaraka amin’i Andry Rajoelina na IRK ny filohan’ny CFFA. Ady an-trano na lonilony politika ve izany no tonga hatrany amin’ny baolina kitra sa antony hafa mihitsy?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap