airtel

Sport

25-oct-2023

Fampiroboroboana ny Tennis

Mitondra ny anjara birikiny I Miary Zo

Sample post image

Taorian'ny teny amin'ny Club du CAR izay nahavory ankizy mihoatra ny zato dia tany

25-oct-2023

Antsirabe indray no notontosaina ny Madagascar Tennis Project nokarakarain'i Miary Zo Rakotondramboa. Fahombiazana no azo hilazana ny fandalovany teto amin'ny kianjan'ny Cercle Mess miaramila raha ny nambaran'ireo mpiofana izany naneho ny hafaliany. Tena ilaina ny zavatra toy izao satria fomba vaovao no nentin'i Miary Zo sy ilay teknisiana mpanofana ireo mpanofana, Thomas Priant izay vaky vava fa tena tsara ny fandraisana. I Miary Zo Rakotondramboa indray dia tsy nihambahamba nampianatra ireo mpanazatra ny fomba rehetra indrindra fa ny fanitsiana ireo fihetsika tsy mety tent ankianja omaly. Tsara ny haavo teknika raha ny eto Antsirabe, hoy i Miary Zo Rakotondramboa omaly . Taratra fa tena olona tsara taiza i Miary Zo ary nobeazina tao amin'ny sehatra tao Antsahamanitra hatramin'izy mbola kely. Tsy nitohy anefa ny ezaka fa dia namidin'ny fiangonana ny toerana na dia ny hanabe ny tanora aza no tanjona. Mivaona izany ary araky ny fiteny hoe loza ho an'izay hiavian'ny fanafitohinana.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap