airtel

Sport

14-mars-2024

Fampivondronana ny Barea

Lalina ny tsy fahamatorana

Sample post image

Tsy azo lavina fa nametraka teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy izany

14-mars-2024

Romuald Rakotondrabe na Rôrô izany, na fon’izy mbola mpilalaon’ny FC BFV tamin’ny fotoan’androny io na izao izy miditra amin’ny sehatra maha mpanazatra izao. Nahazoan’ny ekipam-pirenena milalao eto an-toerana ny laharana fahatelo tamin’ny CHAN na tompondakan’i Afrika farany teo ary nahazoan’ny Barea ny medaly volamena nandritry ny lalaon’ny nosy 2023 natao teto amintsika ihany koa. Hita ho lalina ihany anefa na izany aza ny tsy fahamatorana amin’ny fampivondronana ny Barea ankehitriny ho fanomanana ny fiatrehana ny tohin’ny fiadiana ny tapakila ho an’ny tompondaka eran-tany. Efa amin’ny herinandro nefa izany, raha ny tetiandro napetraka ho an’izay fanomanan-tena izay, no tokony hiainga ny fampivondronana voalohany hiatrehantsika lalao ara-pirahalahiana miisa 3. Ny androatokon’ireo mpila ravinahitra nantsoina nefa no nilaza fa tsy afaka ny hamonjy izany fampivondronana izany. Iny indray koa omaly fa nisy voalaza fa efa nanamafy ny fahatongavany ho ao amin’ny Barea amin’ny volana jona saingy dia hoe ny ekipam-pirenen’i Kaomoro indray no nofidiany. Ny federasionina koa, matetika etsy ankilan’izay, milaza ny heviny mikasika ny fiantsoana ireo mpilalao ary mampametra-panontaniana mihitsy aza misy fotoana hoe fa iza marina moa izany no tena mpanazatra ity ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ity, ilay filohan’ny federasionina sa ilay notendrena hisahana izany andraikitra izany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap