airtel

Sport

23-mai-2023

Sport

Fanadiovan-tena momba ny Lalaon’ny Nosy “Tsy ny habetsaky ny taranja no zava-dehibe…”

Sample post image

Mbola nanadio tena indray ny fitondram-panjakana teo anatrehan’ny petatoko sy tsy fahatomombanana ara-pikarakarana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11, izay efa ofisialy fa hotanterahina eto Madagasikara.

23-mai-2023

Noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fotodrafitrasa sy ara-panomanana, dia nisy ireo taranja 12 najanona raha ny vaovao nalaza, izay niteraka fahadisoam-panantenana goavana ho an’ireo mpilalao sy atleta. 17 izany no lalao hifaninanana hatreto! Nilaza kosa ny Minisitry ny tanora sy ny Fanatanjahantena fa taranja 6 no tsy tafiditra, ary ireo Nosy Rahavavy no misy eritreritra hanao fifaninanana any amin’ny faran’ny taona ho an’ireo taranja tsy tafiditra ireo. Tsy misy ihany koa ny “Village des jeux” toy ny fahita mahazatra, hany ka ny làlan-tsaina ifotoran’ny lalaon’ny Nosy dia ny fiombonana sy firaisankina ho an’ny mpandray anjara rehetra mihitsy no adino. Karazana fanadiovan-tena kosa ny valin-kafatra avy amin’ny fitondrana, izay tsy te hiaiky fa tena nisy olana ara-panomanana, fa dia ny naha voatazona an’I Madagasikara ho mpampiantrano no zava-dehibe. "Dingana lehibe iny famoahana ny sary famantarana teo iny, izay fanehoana ny fahavononan’i Madagasikara,... Tsy ny habetsaky ny taranja hifaninanana no zava-dehibe, fa ny hahazoana vokatra tsara, voalohany ho an’i Madagasikara. Tsy nisy fanilihana ihany koa, fa ny hahatomombana ny fikarakarana ity Lalao ity no tena anton’ny safidy”, hoy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Atoa Haja André Resampa. Tsy finiavana hanakiana fa tena ity ny Lalaon’ny Nosy ratsy karakaraka sy feno fitavozavoazana indrindra amin’ireo noraisin’I Madagasikara raha ny fanamarihana sy fampahatsiahivana, ary mety ho isan’ny ratsy fanomanana indrindra hatramin’ny nisiany nanomboka ny taona 1979. Fanintelony mampiantrano isika izao 1990 ary betsaka no mampahatsiahy fa tsara kokoa ny fanomanana ireo roa voalohany, izay nitanantsika ny laharana voalohany tamin’ny alalan’ny medaly volamena 56, volafotsy 52, ary alimo 45 izay manome 155, fa ny volamena moa no tena mitondra ny fanakilasiana. Nihatsara ny vokatra ary voalohany hatrany isika ny 2007 satria 235 ny medaly azy ka tafiakatra 100 ny volamena, 79 volafotsy, 74 alimo. Asa hanao ahoana ny vokatra amin’ity? Hahavita tsara kokoa noho ny teo aloha ve? Tsy nandehandeha ho azy vokatra tahaka izany, fa tena nisy fiomanana sy fanomanana herintaona raha kely, saingy ny antsika 3 volana aty aoriana dia izao sary miseho. Na ny fampivondronana ny mpilalao aza mbola baraingo ny sasany. Fiombonana sy firaisan-tsaina no isan’ny làlan-tsain’ny Lalaon’ny Nosy, saingy ny zava-misy aloha dia mandeha ny kiana sy adihevitra, toy ny resaka sary famantarana sy hira faneva. Hatramin’ny sarin’ny sainam-pirenena sy fandaharana ireo Nosy mpandray napetraka amin’ny rindran-tsarin’ny hira faneva nahazoana kiana mivaivay. Tena izao ve no atao hoe: fitantanana manara-penitra?
Legende : Ny hahatomombana ny fikarakarana ity Lalao ity no tena anton’ny safidy, hoy ny minisitra Haja Resampa
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap