airtel

Sport

24-janv-2024

Fanagadrana mpitsara basikety ao Mahajanga

Hihetsika ny mpisehatra ara-panatanjahantena anio

Sample post image

Tsy mbola miravona ny olana eo amin’ny taranja basikety ao Mahajanga

24-janv-2024

momba ilay fifamaliana teo amin’ny tompona klioba sy mpitsara lalao iray. Niafara tamin’ny fitoriana sy ny fanagadrana an’io mpitsara io noho ny tsy fahafaham-pon’ilay tompona klioba tamin’ny faharesen’ny ekipany. Sady mpitsara lalao no coach eo anivon’ny Internasional Moovafrica, no mampianatra amin’ny anjerimanontolo moa i coach Veve. «Tsy dia tena nipetraka tamin’ny maha Filohan’ny klioba. Rehefa resy ny ekipany, dia nisy ny fifamaliana teo aminy sy ny mpitsara ny lalao. Nisy ny fandrahonana natao tamin’ilay mpitsara hoe : ampahafantariko anao aho raha tsy fantatrao, gadraiko ianao. Noraisin’ny rehetra ho vazivazy, kinanjo nahazo fampanantsoana tany amin’ny polisy tokoa ilay mpitsara lalao, saingy voalaza fa dosie azo alamina, kanefa ny tribonaly nangataka ilay dosie hakarina », hoy ny fanazavan’ny Tompon’andraikitra iray any Mahajanga. Io mpitory io izay voalaza fa olona mahitahita sy manan-katao, ka izay no ahiahian’ny mpitia fanatanjahantena ho antony nanitarany lasa lavitra ny raharaha. « Ny namanay na ny mpitsara na ny mpisolovava izay nijery ny raharaha dia samy naneho fa zavatra azo alamina tsara ity, kanefa dia miafara amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Misy fanaparam-pahefana sy tsindritsindry handetehana olona kanefa ny fanatanjahantena dia tokony ho ao anatin’ny « Fair-play » », hoy hatrany ny fanazavana. Voalaza fa mandeha ny fifampiresahana sy fifandaminana ary fifampiraharahana eo amin’ny andaniny sy ankilany izay hiarahan'ny Federasionina Malagasy momba ny basket ball, ny ligim-paritra Boeny, ny Section Mahajanga sy ireo ligue rahavavy rehetra, ny talem-paritry ny fanatanjaha-tena ary ny Ministera mpiahy, ka fanirian’ny rehetra ny hiravonan’ny raharaha, saingy mbola tsy tonga amin’ny famotsorana hatreto. Noho izany, hisy ny fihetsiketsehana ataon’ny mpisehatra amin’ny fanatanjahantena miala eo amin’ny Direction Régionale des Jeuneuses et Sports ao Mahajanga hiazo ny tribonaly ho an’ny anio hanehoana firaisankiana amin’io mpitsara lalao io ho an’ny anio. Mafampana ny tontolon’ny fanatanjahantena ao Mahajanga amin’izao ka asa izay ho tohiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap