airtel

Sport

07-déc-2022

Sport

Fanamboarana ny kianjan’ny Barea Misy trosa tsy voaloa, mitaky ny volany ireo orinasa

Sample post image

Orinasa miisa telo izay “sous traitant” tao amin’ny Kianjan’i Mahamasina (Barea) no mitaraina ankehitriny fa efa herintaona mahery izao no nahavitain’ny asa,

07-déc-2022

 ary ny fandraisana manontolo na “réception finale” dia efa vita ihany koa, eny na ny “garantie” na antoka an’ny sinona ihany koa aza dia efa tapitra, hoy ny fitarainana. Ankehitriny, mangataka izy ny handoavan'ny Fanjakana Malagasyy ny volan'ireo société sinoa (CSCOD) ireo mba ahafahany mandoa ny volanay izay mitentina 3 miliara Ariary, hoy ireo orinasa. “Marihana fa olona maro dia maro no miandry an’io vola io satria tsy voaloa ny karaman'izy ireo ka eto izahay dia manamafy fa raha tsy voaray aminy farany herinandro ity ny volanay dia hanao hetsika manoloana ny stade Mahamasina izahay. Marihanay eto fa ireo sinoa ireo ihany koa dia sahirana satria efa ao amin’ny “sous gradin” an’ny stade izy ireo no mipetraka nanomboka taminy volana febroary ary araka ny siosion-dresaka henonay dia tapaka ihany koa ny solosaina mibaiko ireo jiro sy ny “écran géant” ao”, hoy io fanambarana io. Tsara 77 387 000 dolara ny teti-bidiny. Mandrak’ity ny androany, toa mbola arahin-trosa fa tsy araka ny fihetsika feno fireharehana nasehon’ny Fanjakana Rajoelina. Lasa mivadika fahafaham-baraka raha ho tahaka izao hatrany ny endriky ny fomba fiasa. Mandeha ny fitokanan-dalana hay ny volan’ny orinasa nanatsara azy misy tsy voaloa, mandeha ny kianja hay mbola misy trosan’olona mandehandeha,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap