karting » i Madagasikara. I Mboara Razafindratsimba hiaro ny voninahi-pirenena any Grande-Bretagne ny 12-15 septambra izao. Vao avy niatrika ny AKC (African Karting Cup) ny volana febroary lasa teo ny tenany, izay nahazo ny laharana faha-6, ka izao tafita hiatrika ny fiadiana ny tombodaka eran-tany. Ao anatin’ny sokajy OK-N miaraka amin’ny ekipa KBK (Kevin Beaumont Karting ), izay sokajy vaovao nampidirin’ny FIA Karting ny taona 2022 ho an’ny tompondakam-pirenena izy no hifaninana.
Toky R
Sary indrana
Miverina indray ao anatin’ny fifaninanan’ny Pro League Belge i Marco Ilaimaharitra.
Ny Kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara mbola tsy misy fankatoavana hatramin’izao,