airtel

Sport

28-févr-2024

Fanasana lalao fitsapana amin’ny Barea

Burundi irery hatreto no nanohina ny antso

Sample post image

Ny federasionin’ny taranja baolina kitra ao Burundi irery tamin’ireo

28-févr-2024

ekipam-pirenena miisa 5 nasaina hatreto no nanohina ny antso fanasana lalao fitsapana amin’ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, raha ny fampitam-baovao voaray farany omaly. Efa nandà ny fanasana, raha tsiahivina, ny ekipam-pirenena kongoley sy ry zareo ao Afrika atsimo. Mbola tsy nanome valinteny kosa i Kameronina sy Zambia. Ho fantatra, fara-faha tarany amin’ny faran’ity herinandro ity kosa ny anaran’ireo ekipam-pirenena miisa 2 nanaiky ny fanasana tamin’ny fomba ofisialy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap