airtel

Sport

10-sept-2021

Sport

Fanatanjahantena Afrikanina Nihaona tany Paris i Siteny sy Motsepe Filohan’ny CAF

Sample post image

Nihaona tany Paris Renivohitra Frantsay ny Filohan'ny UAJ (Union Africaine de Judo) Atoa Siteny Andrianasoloniaiko izay teratany Malagasy sy Atoa Patrice Motsepe,

10-sept-2021

 Filohan'ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF, izay teratany Afrikanina Tatsimo, omaly alakamisy 09 septambra 2021. Niresaka momba vina na “vision” ho an’ny fanatanjahantena aty Afrika. Nifandray tsara ny tadin-dokanga eo amin’ny roa tonta satria tia fanatanjahan-tena ary samy vao lany ho filoha farantampon’ny rafitra ara-panatanjahantena kaontinantaly aty Afrika dia ny baolina kitra sy ny judo. Fantatra tamin’io fihaonana io, fa ho avy hitsidika an’i Madagasikara tsy ho ela ny Dr Motsepe izay Filohan’ny CAF taorian’I Ahmad Ahmad izay namana akaiky sy hita matetika teo anilan’I Siteny Andrianasoloniaiko taorian’ny fahatongavany avy tany Afrika nahalaniany ho filohan’ny UAJ. Tsara ny mampahatsiahy sy mampahafantatra, fa isan’ireo olobe manana ny toerany sy ny lazany ary toavin’ny Afrikanina Tatsimo fatratra ity Patrice Motsepe ity amin’ny maha mpanefoefo fanta-daza azy, tompon’ny klioba matanjaka Mamelody Sundowms,… Lany ho Filohan’ny CAF ny 12 martsa teo, rehefa tsy afa-nirotsaka I Ahmad Ahmad. Ho avy aty Madagasikara izany ny tenany, ary hanasa ny Filohan’ny UAJ sady Filohan’ny komity olaimpika sady Depiote Malagasy Atoa Siteny Andrianasoloniaiko kosa dia hasainy ho any Afrika Atsimo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap